Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Handball – «CCOI 2018»: samy nivoaka ho mpandresy ny Tsiky sy ny THBC

    Handball – «CCOI 2018»: samy nivoaka ho mpandresy ny Tsiky sy ny THBC

    Nitohy omaly, tetsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny andro fahefatra amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, taranja handball, ho an’ny ekipa tompondaka. Tsara aloha ny vokatra ho an’ny ekipa malagasy, sokajy vehivavy. Nivoaka ho mpandresy avokoa mantsy izy ireo. Anisan’izany, ny THBC, nanilika ny JSB La Réunion, tamin’ny isa 22 no ho 15. Nanatombo teo amin’ny tanjaka sy ny fahaiza-manao ireo mpilalaon’ny THBC. Hain’izy ireo ny namezivezy baolina. Tsara ihany koa ny fiarovantena ka nanahirana ny Renionezy ny namaky izany.

    Tetsy an-kilany, nahazo fahombiazana ihany koa ny AS Tsiky, rehefa nandavo ny Cap Sister avy atsy Seychelles, tamin’ny isa mazava, 33 no ho 12. Toy ny nanao fanazarantena fotsiny ny mpilalao malagasy. Nifanalavitra ny fahaiza-manao teo amin’ny ekipa roa tonta. Ny Tamponnaise La Réunion, indray nanilika ny Boueni, avy any Mayotte, tamin’ny isa, 24 no ho 15.

    Ankoatra izay, teo amin’ny lehilahy, resin’ny AS St Michel, tamin’ny isa, 36 no ho 30 ny Vacoas, avy atsy Maorisy. Lavon’ny Chateau Morange La Réunion, 25 no ho 23 ny Durantha Seychelles.

    Hatreto, mbola mitarika eo amin’ny filaharana ho an’ny vehivavy, ny Tamponnaise, izay tsy mbola resy mihitsy. Toy izany koa ny Château Morange, eo amin’ny lehilahy. Hitohy anio ny fifanintsanana.

     

    Torcelin

    Fandaharan-dalao anio :

    Vehivavy

    10 : 30 : THBC # Boueni

    11 : 45 : Tamponnaise # Cap Sister Seychelles

    01 : 00 : JSB # AS Tsiky

    Lehilahy

    02 : 15 : Tsingoni # Durantha

    03 : 30 : Château Morange # Vacoas

    05 : 00 : ASSM # Cosfa

    Les commentaires sont fermées.