Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanatanterahana ny IEM: manohana ny fihariana madinika ny kandidà Rajoelina

Fanatanterahana ny IEM: manohana ny fihariana madinika ny kandidà Rajoelina

Tsy ny asa sosialy ihany. Manohana ny sehatry ny fihariana madinika mba ho lasa goavana sy ho lehibe eto amin’ny firenena ny kandidà Rajoelina ary tsy miandry azy ho voafidy izany.

Nidina ifotony teny Soavinarivo, Ambatolampy Tsimahafotsy ny mpanorina ny IEM, omaly nitondra fanohanana sy fanampiana an-dRakotondrabary Sitrakiniana Vazosoa, mivady nisehatra teo amin’ny famokarana fromazy. Nanolotra omby vavy be ronono ho azy ireo ny kandidà laharana faha-13, hampiakarana ny vokatra ho betsaka kokoa. Anisan’ireo nifaninana tamin’ilay hetsika « Fihariana » natao tetsy amin’ny Arena izy mivady ary nanao ny famaranana ka nahazo ny fanohanana sy fanampiana. Nampahafantarina tamin’izany ny tetikasa sy fihariana nataon’izy ireo. Nisedra olana anefa ireto mpihary ireto teo amin’ny fanatanterahana izany satria kely fotsiny ny ronono azony.

Ho lasa indostria goavana sy lehibe…

Nahatonga ny kandidà Rajoelina nanohana sy nanampy azy ireo izany, tamin’ny fanolorana  omby vavy roa, mamokatra ronono 20 ka hatramin’ny 30 litatra isanandro ny iray. « Mba ahafahanareo mampitombo ny vokatra izany ka ho indostria kely hivoatra sy ho goavana izany any aoriana”, hoy ny mpanorina ny IEM.

Ankoatra izany, efa nivaha ny olan’ny herinaratra satria mampiasa fitaovana mandeha amin’ny masoandro izy mivady, amin’izao fotoana izao, hampihodinana izany fihariana izany.

Randria sy Synèse R.  

Les commentaires sont fermées.