Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanahiana korontana sy fihoaram-pefy: hiatrana sy handray ny fepetra rehetra ny Emmo/Reg

Horaisina ny fepetra. Ho rakotra mpitandro filaminana manerana ny tanàna, anio, ary efa nanomboka, omaly izany. Anisan’ny hanaovana andrimaso manokana ny etsy Ambohidahy sy ny manodidina amin’izao hamoahan’ny HCC ny voka-pifidianana izao.

Mazava ny fanambarana. “Nohamafisina ny fitandroana ny filaminana, nanomboka androany (omaly), iray andro mialoha ny hamoahan’ny HCC ny voka-pifidianana. Nampiana ny isan’izy ireo”, hoy ny lehiben’ny Emmo/Reg, ny Kly Randrianarivelo Anicet, omaly. Anisan’ny antony nandraisana izany fepetra izany, ireny hetsika tato ho ato teny Ambohidahy sy ny nahamay fiara ireny  ary koa ny fanambarana samihafa, araka ny nambarany. “Tsy maintsy noraisina ny fepetra manokana ankoatra ny asa andavanandro. Tsy eny amin’ny HCC ihany fa manerana ny tanàna satria betsaka loatra ny tsaho miely sy ny fanentanana ataon’ny sasany. Tsy maintsy atao izany mba tsy hisian’ny fihoaram-pefy… Aoka anefa ho tony isika eo am-piandrasana ny voka-pifidianana ara-dalàna havoakan”’ny HCC ”, hoy ihany izy.

Etsy andaniny, ho tapaka ny ampahan-dalana sasany eny Ambohidahy sy ny manodidina ho an’ny anio maraina tontolo.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.