Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambohimahasoa: votsotry ny zandary ilay lehilahy nalain’ny jiolahy an-keriny

Ambohimahasoa: votsotry ny zandary ilay lehilahy nalain’ny jiolahy an-keriny

Avotr’ireo zandary teo am-pelatanan’ny jiolahy ny lehilahy iray nisy naka an-keriny tany Vohiposa distrikan’Ambohimahasoa, ny faran’ny herinandro teo…

Lehilahy iray nalaina an-keriny no votsotry ny zandary teo am-pelatanan’ny jiolahy tao Vohiposa izay tsy nisy fandoavam-bola. Raha ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary, ny 25 novambra 2018 tamin’ny 8 ora sy 45 mn tao Ankidomby, kaominina ambanivohitr’i Vohiposa, distrikan’Ambohimahasoa, RN 7, PK 327 + 200, nosakanan’ny jiolahy tamin’ny vatan-kazo ny lalana nandehanan’ny kamiaobe iray nitondra letisia avy any Ifanadiana. Nosavain’izy ireo ny mpamily sy ny mpamily mpanampy ka tsy  nahita afa-tsy vola 30 000 Ar izy ireo. Nentin’ireto jiolahy an-keriny izy roa lahy ary niantso ny mpampiasa azy roa lahy taty Antananarivo ireo olon-dratsy ka nitaky vola 60 tapitrisa Ar ho takalon’ny ain’izy ireo. Tafatsoaka anefa ilay mpamily ka ilay mpamily mpanampy sisa teo am-pelatanan’ireo jiolahy. Ny taksiborosy hafa maromaro izay nitanjozotra tonga tao aorian’io kamiaobe io no nahatsikaritra fa niharan’ny sakan-dalana sy fanendahana ka niantso ny zandary izay namonjy avy hatrany teny an-toerana. Nanao ny fikarohana sy ny fisavana ny zandary, saingy tsy nahita ireo jiolahy tamin’io fotoana io. Nitohy ny 26 novambra 2018  indray ny fikarohana tany anaty kirihitra ala sy tendrombohitra ka hita ny toerana nisy ireo jiolahy, ny hariva tamin’ny 5 ora. Nisy ny fifandonana ka nisy ny naratra tamin’ireo jiolahy, saingy mbola afa- nitsoaka tany anaty ala izy ireo. Votsotra nandritra izany kosa ilay olona nalaina an-keriny.

J.C

Les commentaires sont fermées.