Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vakinankaratra: tetikasa iray lehibe ny fanodinana tsaramaso

Vakinankaratra: tetikasa iray lehibe ny fanodinana tsaramaso

Sehatra fiaraha-mihary tsaramaso (SFMT). Vokatry ny fambolena tsaramaso, hitarina amin’ny fanodinana azy ny any amin’ny faritra Vakinankaratra. Eo am-pamolavolana orinasa hanao izany io SFMT io, tohanan’ny Procom* sy ny Vondrona eoropeanina.

Tetikasa iray lehibe aorina any Vakinankaratra ho amin’ny fanodinana tsaramaso : Sehatra fiaraha-mihary tsaramaso (SFMT). Mamolavola io tetikasa io sy eo am-pananganana orinasa ny Procom vatsin’ny Vondrona eoropeanina vola ho fanodinana tsaramaso lasa lafarinina na koba (porridge). « Lalam-pihariana iray hanampiana ny tantsaha mpamboly izany sy famoronana asa ho an’ny vehivavy », hoy ny filohan’ny SFMT, ny Dr Rabary Bodovololona.

Tanjona ny hampitomboana ny vokatra tsaramaso sy hanatsarana ny kalitaony, haha matihanina io seha-pihariana io. Manohana ny tetikasa ara-teknika ny sampandraharaha momba ny fambolena sy ny fiompiana (DRAE) ao amin’ny faritra  Vakinankaratra, miampy ny fitaovana atolotry ny SFMT. Efa mandeha izao ny fanofanana ireo tantsaha manomboka amin’ny fanatsarana ny fambolena hahazoam-bokatra maro sy kalitao tsara ; omena ho an’ireo miasa amin’izany sehatra izany ny fomba fanodinam-bokatra tsaramaso ho tonga amin’io tanjona nofaritan’ny tetikasa io.

« Maharitra ny tetikasa ary misy ny lalam-barotra ho an’ny eto an-toerana hoentina miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Fidiram-bola  ho an’ny mpamboly mpamokatra azy koa  », hoy ny Dr Rabary Bodovololona. Tsy  ampy anefa ny fanohanana teknika sy fahitana masomboly tsara hahazoana mamokatra bebe kokoa. Azo atao ny mamboly indroa ao anatin’ny herintaona raha tsara ny masomboly. Nitombo fidiram-bola ireo nifantoka nanaraka ny torohevitra avy amin’ny Fofifa, raha ny fanadihadiana vita. Masomboly azo antoka 900 kg, hahazoam-bokatra 11 t amin’ny fotoam-pambolena iray, na eo aza ny avandra sy ny tondradrano.

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.