Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rugby – «Gold Top 20»: tafita amin’ny manasa-dalana ny FTM sy ny FTA

Rugby – «Gold Top 20»: tafita amin’ny manasa-dalana ny FTM sy ny FTA

Tafita hiatrika ny manasa-dalana, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “Gold Top 20”, ny FTM Manjakaray. Resiny teo amin’ny ampahefa-dalana, tamin’ny isa mavesatra 56 no ho 15, ny SCB Besarety. Mbola noporofoin’ny Manjakaray indray ny maha andrarezina azy eo amin’ity baolina lavalava ity. Nanantombo teo amin’ny fahaizana nameno ny kianja ny FTM ka tsy nahitan’ny Besarety irika handinganana mihitsy. Lesoka teo amin’ny ekipan’ny SCB ny nilalaovany 14 raha vao nanomboka 15 mn monja ny fihaonana. Nahazo karatra mena mantsy ny mpilalaony iray.

Ankoatra izay, nitondra ny fanafihany tao anaty “avant” hatrany ny Besarety, saingy tsy nampihontsina ny FTM izany. Tetsy ankilany, mailaka ny tolotolotra nataon-dry Koroka sy ry Mbola hany ka nisesy ny baolina nentin-tanana vitan’ny FTM. Nitaika tamin’ny isa, 32 no ho 3, izy ireo teo am-pialan-tsasatra. Henjankenjana ny fifandonana teny ambony kianja ka niraradraraka ny karatra mavo azon’ny andaniny sy ny ankilany. Na izany aza, tontosa hatramin’ny farany ny lalao. Mendrika ny SCB na resy aza, nampiseho endri-dalao nahafinaritra sy feno teknika. Samy niaiky ny rehetra fa nivoatra be ny fomba filalaon’ny Besarety, ary mety hahavita dingana tsara amin’ny taona ho avy.

Manohy ny lalany, any amin’ny ankatoky ny famaranana, ihany koa ny FTA Andavamamba rehefa nanilika ny USA Ankadifotsy, tamin’ny isa 28 no ho 18.

 

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.