Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Miaramila misotro ronono: « Hajao ny safidim-bahoaka… »

    Miaramila misotro ronono: « Hajao ny safidim-bahoaka… »

    Nanao fanambarana ny eo anivon’ny Fikambanan’ireo miaramila sy zandary misotro ronono (AAM), omaly tetsy Andrefan’Ambohijanahary. Navoitran’izy ireo tamin’izany ny momba ny voka-pifidianana. “Manantena ny fahendren’ny HCC amin’ny fanapahana horaisiny isika ka hiaro ny hasin’ny safidim-bahoaka, fototra iorenan’ny demokrasia”, hoy izy ireo. Nanterin’izy ireo fa lalan-tokana ho amin’ny fitoniana sy ny fampandrosoana ny firenena ny fanjakana miorina amin’ny safidim-bahoaka. Nohitsin’izy ireo fa tokony handraisana fepetra manokana ireo lesoka ahitana porofo hialana amin’ny ahiahy tsy ihavanana amin’ny fifidianana rehetra ho avy. “Tsy mendrika ny vahoaka malagasy ny hanaovana fanandramana ny fiainan-koaviny… Miankina amin’ny safidiny ny afahafana mametraka fiarahamonina mirindra sy milamina mitsinjo ny fivelaran’ny maha olom-pirenena manana ny hasiny tanteraka”, hoy ihany izy ireo.

    Synèse R.

     

    Les commentaires sont fermées.