Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kandidà Rajoelina: « Mila filoha mijery ny sosialim-bahoaka ny firenena… »

Kandidà Rajoelina: « Mila filoha mijery ny sosialim-bahoaka ny firenena… »

Mitohy hatrany ny fidinana ifotony ataon’ny mpanorina ny IEM eny anivon’ny fokontany. Nijery ifotony ny olana ary namaha izany avy hatrany ny tenany manoloana ny hetahetan’ny mponina.

Anisan’ny fokontany notsidihiny ny eny Ambohimanarina, nitohy eny Andraisoro sy eny  Tsarahonenana iny. Namakivaky elakela-trano ary nitafa mivantana tamin’ny mponina.

« Tsy maintsy filoha Rajoelina Andry na fihodinana voalohany na faharoa na fahatelo. Mila filoha tanora i Madagasikara. Tsy ilaina intsony ny « veteran »… Ilaina ny filoha mijery ny fahasahiranam-bahoaka tsy mijanona anaty birao eny Ambohitsorohitra sy Iavoloha fotsiny”, hoy ny lahateniny amin’ireo vahoaka niatrika izany. Nijery ireo lalana “pavé” namboariny eny amin’ny boriborintany fahenina, fony ben’ny Tanàna, izy ka nambarany fa tsy voakojakoja intsony izany.

Fandraisana andraikitra dieny izao…

Nampanantena ny hanarenana izany ny kandidà laharana faha-13.Teo koa ny nilazany fa tsy iandrasany ho voafidy ny tenany vao hiasa sy handray andraikitra fa dieny izao izany. “Horaofintsika ny fako. Homena tambiny amin’ny asa tana-maro ireo hiasa hanao izany… Hitankosina amin’ny vahoaka ny mpitondra ary hampandroso ny firenena. Hatao indroa isan-kerinandro ny “Tsena mora” hanalana fahasahiranana ny vahoaka”, hoy ihany izy.

Hitohy any amin’ny fokontany hafa indray ny hetsika tahaka izao.

Randria  sy Fano

 

Les commentaires sont fermées.