Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Halatra fiara sy fikasana haka an-keriny: nitaky 30 tapitrisa Ar ireo jiolahy vao hamerina ny fiara

    Halatra fiara sy fikasana haka an-keriny: nitaky 30 tapitrisa Ar ireo jiolahy vao hamerina ny fiara

    Voasambotry ny polisy misahana ny heloka bevava, sakelika voalohany (BC1) teny 67 ha sy Ivato, ny asabotsy teo, ireo jiolahy tompon’antoka tamina halatra fiara sy nikasa haka an-keriny. Raha ny tatitra azo avy amin’ny polisy, nisy olona nametraka fitoriana tao amin’ny BC 1 fa very nisy nangalatra teny amin’ny faritra Anosy Avaratra ny fiaran-dry zareo 4×4 Mercedes ML 320 CDI. Tsy vitan’ny nangalatra fiara ireo olon-dratsy fa mbola nandrahona tamin’ny alalan’ny fandefasana sms an-telefaonina ihany koa. Nilaza ireo jiolahy fa haka an-keriny ny zanaky ny tompon’ilay fiara ary hamono azy mihitsy raha toa ka tsy manome vola 30 tapitrisa Ar azy ireo. Nanao fikarohana avy hatrany ny polisy ka hita teny Ivato ilay fiara very, ny 20 novambra 2018 lasa teo, ary naverina amin’ny tompony. Tratra taorian’izay ireo jiolahy. Ny iray voalohany, tratra teny 67 ha ny asabotsy hariva teo raha tratra teny Ivato kosa ilay namany tamin’io fotoana io ihany. Nandritra ny fanafihadian’ny polisy no nahafantarana fa ny 20 novambra 2018, nilaza hijery sy hividy ilay fiara 4×4 ireto mpangalatra ireto. Natao ny fifampiresahana ka raikitra fa hovidian’izy ireo ilay fiara, saingy ataon’izy ireo indroa mandoa. Rehefa niroso tamin’ny fanaovana fanandramana izy ireo, nandefa solontena ilay mpivarotra hanaraka ilay fiara izay natao teny amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra Ivato. Ilay olona nilaza fa hividy no nitondra ny fiara ka rehefa lasa lavitra, nilaza ny solontenan’ny tompona fiara fa efa ampy izay ny fanaovana fanandramana. Nasain’ilay olona hividy ilay fiara nidina ilay solontenan’ny tompona fiara hifanolo toerana izy roa lahy kanjo nirifatra nitsoaka avy hatrany izy raha vao tafidina ny fiara ilay jiolahy. Niantso ny tompona fiara ilay mpanaraka ka nanomboka teo ny fandrahonan’ireo mpangalatra.

    Jean Claude

    Les commentaires sont fermées.