Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fondation Telma-Sava: vita ny sekoly mahazaka rivodoza

    Fondation Telma-Sava: vita ny sekoly mahazaka rivodoza

    Notokanana, ny herinandro lasa teo, ny sekoly afaka misedra rivodoza naorina amin’ny teknolojia Coffor ary nampiharina ao amin’ny faritra Sava. Tetikasa niarahan’ny Fondation Telma sy ny mpiray ombon’antoka aminy ny fanorenana ao anatin’ny fandaharanasa Sekoly Telma. 15 ny sekoly manaraka ny fenitra mahazaka rivodoza haorina ho an’ny faritra ka efa vita soa aman-tsara ny dimy amin’ireo (Ambodimanga, Ampobolava, Manaka, Tanambao Tsararano…). Afaka mandray mpianatra 120 isanisany ny fotodrafitrasa vao naorina. Ho an’ny sekoly vao notokanana, zaza dimy ka hatramin’ny 15 taona manodidina ny 600 no hahazo tombontsoa rehefa ravan’ny rivodoza Enawo ny tranon-tsekoly teo aloha.

    Nizarana fitaovam-pianarana koa ny mpianatra hanamaivanana ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny.

    Betsaka ny tombontsoa azo avy amin’ny fampiasana ny teknoljia Coffor, haingana ny asa ary tsy mila fitaovana mavesatra toy ny taotrano mahazatra. Mihena, noho izany, ny vidin’ny fananganana. Mahazaka rivotra hatramin’ny 250 km isan’ora ity fotodrafitrasa ity.

    Vonjy A.

    Les commentaires sont fermées.