Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

FMF – Komitin’ny fanamarinana: efa am-perinasa izao i Attalah Béatrice

FMF – Komitin’ny fanamarinana: efa am-perinasa izao i Attalah Béatrice

Nandray ny asany, nanomboka omaly alatsinainy 26 novambra, etsy amin’ny biraon’ny federasiona malagasy ny baolina kitra, Isoraka, i Attalah Béatrice. Izy izay voatendry ho filohan’ny komitin’ny fanamarinana na ny « Comité de normalisation ». Komity hisahana ny fanomanana ny fifidianana ny FMF mitarazoka amam-bolana maro. Tsy niandry ela i Attalah fa niroso avy hatrany amin’ny famahana ny olana. Hanao ny fivoriambe fanao isan-kerinandro izy ireo, anio talata 27 novambra eny amin’ny biraon’ny federasiona, miaraka amin’ireo mpikambana rehetra mandrafitra ny komity.

Tsahivina fa napetraka ho mpitantana ity komity ity, ny 23 novambra lasa teo i Attalah Béatrice, ary handrindra ny raharaha eo anivon’ny federasiona izy hatramin’ny 12 mey 2019.

Mi.Raz

Nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, omaly tolakandro, ny ekipan’ny FC Platinium avy any Zimbaboe. Ity ekipa ity izay hifanandrina amin’ny ekipan’ny Cnaps Sport eo amin’ny fiadiana ny tompondakan’Afrika, hotanterahina etsy Vontovorona, rahampitso alarobia.

Les commentaires sont fermées.