Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Facebook: nahazo 30 tapitrisa Ar ilay mpisoloky

    Facebook: nahazo 30 tapitrisa Ar ilay mpisoloky

    Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny Sut, ny alakamisy 22 novambra 2018 teo, ny lehilahy iray nampiasa kaonty facebook sandoka ka naka vola tamina olona iray. Nametraka fitoriana teny amin’ny polisy ilay olona niharan’ny fisolokiana ka noraisim-potsiny ity lehilahy mpisoloky ity. Fantatra, nandritra ny fanadihadiana ity lehilahy ity, fa naka sarin’olona tao anaty facebook izy ka nampiasainy izany. Nampiresahiny ilay olona tao anaty facebook izay naman’ilay olona io ihany. Nilaza izy fa misy fahoriana sy marary ka nankany vola io niharan’ny fisolokiana io. Efa mitentina 30 tapitrisa Ar ny vola azon’ity lehilahy mpisoloky ity nandritra ny roa taona. Ity voasoloky koa, tsy teto an-toerana fa any andafy ka rehefa nody teto an-tanindrazana izy vao nahafantatra hoe tsy ilay olona noheveriny no naka vola taminy. Nametraka fitoriana tao amin’ny polisin’ny Sut ao Tsaralalàna izy ary natao ny vela-pandrika. Tratra teny Tsaralalana ihany ity lehilahy mpisoloky ity. Niaiky ny heloka vitany izy, nandritra ny famotorana nataon’ny polisy. Natolotra, omaly, ny fampanoavana ity mpisoloky ity ka nidoboka vonjimaika am-ponja eny Antanimora.

    Jean Claude

    Les commentaires sont fermées.