Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Efa nigadra: tratran’ny polisy indray ireo jiolahy

Niverina nanohy ny asa ratsiny indray ireo jiolahy raha vantany vao nivoaka ny fonja. Vokany, voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny “poste de police avancé” eny Ankorondrano, ny alahady sy omaly alatsinainy, ireto jiolahy roa ireto. Malaza ratsy amin’ny fanendahana miharo sinto-mahery ry zalahy ireto. Taorian’ny fitarainan’ny olona maro izay nilaza fa misy andian-jiolahy maromaro manao andiany manendaka amin’iny faritra Ankorondrano hatreny amin’ny Jesosy Mamonjy iny no nahafahan’ny polisy nanao ny vela-pandrika tamin’ireto olon-dratsy ireto. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny polisy ka tratra teo Ankorondrano ny iray amin’izy ireo raha vao avy nanendaka renim-pianakaviana iray. Nanoro ireo namany mpiray tsikombakomba aminy indray izy avy eo ka norasim-potsiny teny Antohomadinika, omaly.  Efa maro ireo olona nitondra faisana tamin’ireto jiolahy ireto, raha ny fanazavan’ny polisy hatrany. Ireto teratany vahiny no tena lasibatr’ireto jiolahy ireto hatrany.

J.C

 

 

Les commentaires sont fermées.