Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Antsirabe: fiofanana ho an’ny tanora tantsaha miisa 35

Antsirabe: fiofanana ho an’ny tanora tantsaha miisa 35

Namelabelatra ny fikarohany avy ny tanora tantsaha mpandraharaha miisa 35, ny 20 sy 21 novambra teo, tao amin’ny foibe Fifamanor Antsirabe. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa filamatra ao anatin’ny Fandaharanasa hampiroboroboana ny fandraharahana ho an’ny tanora amin’ny lafiny fambolena sy ny indostria miankina amin’ny fambolena (PEJAA) ity hetsika ity, nanombanana ny zava-bitan’ny tsirairay.

Naharitra sivy volana ny fiofanana, nahazoan’izy ireo traikefa samihafa, toy ny lafiny teknika maoderina amin’ny fambolena, ny torolalana ho an’ny tanora hahaizany miasafidy ny seha-pihariany tiany hatao, ny fomba handrafetany ny tetikasa vao hatombony avy, ny fomba fikarohana famatsiam-bola, sns.

Naharitra dimy minitra avy ny fotoana nomena ny tanora tsirairay. Niandrasana azy ireo ny fifehezana ny fandraharahana, ny fahaiza-mitarika olona, ny tombontsoa ateraky ny tetikasany avy eny ifotony sy ny fanehoana fa azo tanterahina tsara izany. Nilaza i Cheick Diarra, manampahaizana amin’ny fandraharahana amin’ny fambolena, sady teknisianina ao amin’ny PEJAA, fa « na tsara aza ny tetikasa, ny tanora tsirairay no hitantana azy. Ilaina, noho izany, ny hananan’izy ireo traikefa sy fahalalana hanatanterahany azy ».

Nanombana ny famelabelaran’ny tsirairay ny mpandrindra nasionalin’ny PEJAA, ny avy amin’ny mpandraharaha tsy miankina ary ny solontenan’ny banky BNI.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.