Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Ankasina: vola sandoka no nakana mpivarotena

    Nidoboka am-ponja, omaly rehefa avy natolotra ny fampanoavana, ilay lehilahy nahatrarana vola sandoka 10 000 Ar miisa dimy teny Ankasina. Nahasambotra ity lehilahy ity ny polisin’ny Sut ao Tsaralalàna, ny asabotsy hariva tamin’ny 7 ora sy 30 mn. Fantatra tamin’ny fanadihadian’ny polisy fa saika hakan’ity lehilahy ity mpivarotra fahafinaretana sy hofana trano fandraisam-bahiny ireto vola sandoka ireto. Nahatsikaritra ny tompon’ilay trano fandraisam-bahiny fa vola sandoka ny nomen’ilay lehilahy azy ka niantso polisy avy hatrany izy. Noraisim-potsiny ity lehilahy ity. Voalazany tamin’ny fanadihadiana azy fa azony tany amin’ilay namany io vola io. Fantatra ihany koa fa avy eny Ankasina ity namany mpanamboatra vola sandoka ity ary rehefa nojerena teny an-toerana, efa tsy tao intsony io namany io, raha ny tatitra nampitain’ny polisy hatrany. Natolotra ny fampanoavana izy ka niafara tamin’ny fampidirana am-ponja azy.

    J.C

    Les commentaires sont fermées.