Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Alasora: nambolen-drangahy rongony eo an-tanimboliny

Ny asabotsy 24 novambra teo, tokony ho tamin’ny 10 ora maraina, saron’ny zandary avy ao amin’ny “poste avancé” Alasora, eny amin’ny tanana antsoina hoe Mendrikolovana, kaominina ambanivohitra Alasora, distrika Antananarivo Avaradrano, ny lehilahy iray 40 taona, mpamboly rongony.

“Nidina teny an-toerana avy hatrany nanao fanamarinana ny zandary sy ny tompon’andraikitra ao amin’io fokontany io raha vao naheno loharanom-baovao avy amina olona tsara sitrapo”, hoy ny zandary. Hita tao amin’ny tanimbolin’io rangahy io ny fototra rongony miisa 17, miaraka amina ravina rongony efa maina milanja 214 grama, izay tao amin’ny tranokely eo amin’ilay tanimboly ihany. Notanana ao amin’ny “poste avancé” Alasora io rangahy io miaraka amin’ireo rongony namboleny ary niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana natao taminy. Natolotra, omaly, ny fampanoavana ny raharaha.

“Ny ezaka ataon’ireo zandary, mbola ahitam-bokany tsaratsara kokoa raha miampy ny fanomezam-baovao avy amin’ny mponina izay anentanana azy ireo hatrany”, hoy hatrany ny zandary.

Yves S.

 

 

Les commentaires sont fermées.