Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Valpinson – Toamasina: nanapoaka basy ireo jiolahy mpandroba mandeha moto

Valpinson – Toamasina: nanapoaka basy ireo jiolahy mpandroba mandeha moto

Voaroban’ny jiolahy telo nitondra basy sy nandeha moto tao amin’ny tsenan’i Valpinson Toamasina, ny asabotsy maraina teo, ny raim-pianakaviana iray 40 taona avy nividy entam-barotra…

Teo amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy mankany Tanambao Nosy Be mihazo ny lalam-pirenena fahadimy iny mifanila amin’ny tsenan’i Valpinson no nitranga ity fanafihana ity. Araka ny filazan’ireo nanatri-maso, tonga tampoka teo amin’ilay raim-pianakaviana tsy nanampo na inona na inona ireo jiolahy roa sady nisintona ny sakaosy teny aminy. Efa miandry ny fiaingan’ny taksiborosy ity raim-pianakaviana ity tamin’ny fotoana nahatongavan’ireo olon-dratsy. Tsy nanaiky lembenana fa namaly ilay raim-pianakaviana ka tamin’izay indrindra, tonga ilay jiolahy fahatelo ka nitifitra ary voa teo amin’ny feny ilay raim-pianakaviana. Nitsoaka nihazo ny fokontany Andranomadio ny lalan’ireo jiolahy. Nentina teny amin’ny hopitaly kosa ilay niharam-boina. Nilaza ilay raim-pianakaviana niharan’ny fanafihana fa tsy misy afa-tsy vola 90 000 Ar any anatin’ilay sakaosy fa efa lany nividianany entam-barotra avokoa ny vola 5 tapitrisa Ar nentiny. Fantatra, araka ny loharanom-baovao voaray hatrany, fa tambajotran-jiolahy tsy mety ravan’ny mpitandro filaminana ireto jiolahy miaraka amin’ny moto ireto ary mampiasa fitaovam-piadiana mahery vaika. Na eo aza anefa izany, maro ireo jiolahy mpamerin-keloka efa voasambotry ny polisy, saingy votsotra hatrany rehefa tonga eny amin’ny fitsarana, araka ny fanazavan’ny polisy.

Sajo sy J.C

Les commentaires sont fermées.