Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hiarahana amin’ny Kolo TV/FM: raikitra indray ny «Miss jeunesse Madagascar »

Hiarahana amin’ny Kolo TV/FM: raikitra indray ny «Miss jeunesse Madagascar »

Miditra amin’ny andiany faharoa. Notanterahina, ny asabotsy sy omaly alahady teny amin’ny Kolo TV/FM, ny fifanintsanana amin’ny fifaninanana hatsaran’ny endrika amam-bika, “Miss jeunesse Madagascar”, ho an’Antananarivo.

Nifidianana ireo 50 manana isa tsara hiatrika ny manasa-dalana hatao ny 5 desambra izao ireo mpandray anjara miisa 350 tonga niatrika izany”, hoy ny mpikarakara, i Hary Ivette. Nambarany fa natao ho an’ireo tovovovy 15-20 taona ny fifaninanana ary tsy mifidy halavana na habe izany fa afaka nandray anjara avokoa ny rehetra. Tanjona, araka ny nambarany, ny haha tomponandraikitra ny tovovavy eo anivon’ny fiarahamonina, ho tia fianarana sy fanabeazana. Mazava rahateo ny valisoa ho an’ireo mendrika amin’ny fifaninanana. “Hiantohana ny fianarany amin’ny sekoly ambony iray ao anatin’ny telo taona, ahazoana diplaoma frantsay ary eken’ny firenena maneran-tany sy ahafahany miasa izany. Tsy maintsy manana tetikasa momba ny sosialy, mijery ny fiarahamonina, izy ireo”, hoy ihany izy. Natao ho an’ny eto Antananarivo aloha izao dingana voalohany izao. Tsy noferana koa ny fiaviany na avy any amin’ny faitra aza nefa mipetraka rehefa eto an-dRenivohitra. Hanana solontena dimy Antananarivo hiatrika sy hifaninana amin’ireo avy any amin’ny faritra ny volana jona. Hanomboka rahateo ny fifantenana any amin’ny faritra. Hotanterahina ny volana aogositra kosa ny famaranana ny “Miss jeunesse Madagascar”.

Anisan’ny mpanatontosa izao hetsika izao ny eo anivon’ny Kolo TV/FM sy ireo mpiara-miombona antoka hafa.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.