Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hetsika sy korontana: anjatony ireo voasambotra tany Frantsa

Hetsika sy korontana: anjatony ireo voasambotra tany Frantsa

Raikitra ny fisamborana. Nitohy, ny faran’ny herinandro, ny fihetsiketsehan’ireo manao akanjo mavo “gilets jaunes”, manerana an’i Frantsa. Maherin’ny iray hetsy izy ireo izao nidina an-dalambe izao ary efa hetsika amin’ny andro fahasivy ny nataon’izy ireo. Anisan’ny anton’ny hetsika ny fanapahan-kevitry ny filoha frantsay, i Macron, ny hanangana ny filankevitra ambony ho an’ny toetry ny andro ka hampiakarana ireo hetra sy haba any amin’ity firenena ity. Tsy faly ny vahoaka frantsay amin’ny ankapobeny ka nisalotra ny akanjo mavo nanerana ny tanàn-dehibe any an-toerana nanohitra izany. Manahy amin’ny hoavin’ny taranaka izy ireo amin’izany fanapahan-kevitra izany. Tonga hatreny amin’ny lapam-panjakana, Champs-Elysée, mihitsy ireo mpanao fihetsiketsehana raha ny tao Paris ary nanao sakana sy nandoro kodiarana sy fiara nirehitra. Teo koa ny fanimban-javatra nanerana ny tanàna. Tsy maintsy niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana nandrava izany ka niteraka ny fifanjevoana sy fifanandrinana. Nisy ny voasambotra ary voalaza fa anjatony izy ireo. Nisy koa anefa ny mpitandro filaminana naratra. Andrasana ny fanambaran’ny fitondrana frantsay…

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.