Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fijerena ny fanabeazana: nitohy ny fidinana ifotony nataon-dRajoelina

Fijerena ny fanabeazana: nitohy ny fidinana ifotony nataon-dRajoelina

Nanohy ny fidinana ifotony teto an-dRenivohitra ny mpanorina ny IEM, Rajoelina, ny faran’ny herinandro teo. Tafiditra amin’ny fijerena akaiky ny sosialim-bahoaka izany hetsika izany.

Niompana amin’ny resaka fanabeazana sy fampianarana indray. Anisan’ny fokontany notetezin’ny kandidà laharana faha-13, ny asabotsy teo, ny teny Ankasina, ny teny Ambodirano, ny teny Ampasanimalo, ny teny Ankorondrano. Notolorana kojakojam-pianarana avokoa ireo mpianatra rehetra eny anivon’ireo fokontany ireo hiatrehana izao taom-pianarana vaovao izao. Eo koa ny fanalana fahasahiranana ny ray aman-dreny amin’ny fiatrehana izany noho ny fahasahirana samihafa ka nahavelombolo ireo mponina izao hetsika nataon’ny kandidà Rajoelina izao. Tafiditra amin’ny vina IEM rahateo ny tontolon’ny fanabeazana sy ny fampianarana : « Fototry ny fanabeazana ireo zanatsika ny fananana toe-tsain’ny mpandresy sy ny fikatsahana ny tsaratsara kokoa hatrany”.

Asa soa ataon’ny fikambanana Fitia

Tsy diso anjara koa anefa ny teny amin’ny fokontany Ambatobe sy Mandrosoa Ilafy, ny faran’ny herinandro teo ihany. Ny mpanorina ny fikambanana Fitia, Rajoelina Mialy, indray kosa ny nitondra ny anjarany ho fanampiana sy fanohanana ny mpianatra sy ny ray aman-dreny. Efa fanao isan-taona ny hetsika tahaka izao, nanomboka ny taona 2010. Nisitraka izany kojakoja ho an’ny fianarana izany ny mpianatra miisa 450 zanaky ny sahirana eny an-toerana. Teo koa ny fanomezana sakafo ho azy ireo. Mbola hitohy amin’ny fokontany sy faritra hafa izao hetsika ataon’ny kandidà Rajoelina sy ny vadiny izao.

Randria sy Fano

Les commentaires sont fermées.