Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanandrana: tsy eken’ny mponina ny PDS

Fanandrana: tsy eken’ny mponina ny PDS

Mandrahona ny hampikatso ny fifamoivoizana amin’iny lalam-pirenena faharoa iny (RN2), 25 km mialoha ny hidirana an’i Toamasina, ny fokonolona ao amin’ny kaominina Fanandrana raha tsy mandray fepetra haingana mifanaraka amin’ny fitakian’izy ireo ny fanjakana. Niantso mpanao gazety, ny herinandro teo, ny solontenam-pokonolona nanazava ny antony tsy hankatoavan’izy ireo ny fanendrena PDS sy ny lefiny mitantana ny kaominina any an-toerana. « Efa nitantana ny Birao ifotony ny fananan-tany (Bif) eto izy io ka nahitana lesoka maro teo amin’ny famarotana tsy ara-dalàna tanim-panjakana. Teo koa ny fanomezana kara-tany ny tanin’olona efa misy « titre » ary ny fanaovana hosoka samihafa tamin’ny tanin’ny tantsaha » , hoy ny solontenan’ny vahoaka, Ratomboniaina Marcellin. Anisan’izany ny velaran-tany 13 ha ao Malagaga Antananambo, 22 ha ao Antsirandava, 16 ha ao Mahalanga- Antananambo.

Tsy te hahalala afa-tsy ny lefitra teo aloha ny vahoaka

Nanterin’ireo fokonolona fa maika handray ny volabe avy amin’ny tetikasa Ambatovy ny mampihazakazaka ireo mpanao afera sasany ireo. « Sahy manao fanamby vola any amin’ny mpanendry hahazahoana ny fitantanana ny kaominina fa tsy fampandrosoana izy ireo », hoy ihany ny fokonolona. Tsy te hahalala afa-tsy ny lefitry ny ben’ny Tanàna teo aloha ny vahoaka any an-toerana ary iny ihany ny ankasitrahan’izy ireo. Tsiahivina fa nodimandry ny volana aogositra teo ny ben’ny Tanàna ka izao nirosoana izao ny fanendrena PDS. Andrasana ny ho tohin’ny fampanenoana lakolosy ataon’ny fokonolona.

Sajo

Les commentaires sont fermées.