Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

By-Pass: olona iray matin’ny Scooter

Nanao tohivakana ny lozam-pifamoivozana tamin’ny alalan’ny moto Scooter, ny faran’ny herinandro teo. Ny iray voalohan,y teny Ambohimangakely, tafatsofoka tany ambany kamiaobe ny olona roa nandeha moto Scooter. Vokany, maty tsy tra-drano ny iray. Teny amin’ny By-Pass koa, olona roa nandeha moto Scooter ihany koa no indray naratra maty vokatry ny tandrevaka ihany koa teo amin’ny “rond point” eny an-toerana. Naratra mafy ireo olona roa nandeha tamin’ilay moto. Voalaza aza fa mbola miady amin’ny fahafatesana eny amin’ny hopitaly mihitsy ny iray amin’ireo naratra. Tsikaritra fa misy hatrany ny tandrevaka eo amin’ny mpitondra moto. Misy ihany koa anefa ny tsy firaharahan’ireo fiara sasany ireny olona mandeha moto ireny na efa manaja ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana aza ireny mpandeha kodiaran-droa ireny. Raha ny antontan’isa nomen’ny polisy, isan’ny mitana ny lohalaharana hatrany eo amin’ny lozam-pifamoivoizana ireny moto ireny. Eo ny fandehanana mafy nefa tsy mahafehy akory ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana ary tanora avokoa no tena mpisetrasetra amin’izy ireny rehefa faran’ny herinandro. Toy ny eny By-Pass sy Marais Masay. Manginy fotsiny ny tsy fanaovana aroloha. Tokony hohamafisina hatrany ny lalàna amin’ny fampiasana itony moto itony.

J.C

Les commentaires sont fermées.