Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Analankinina Hopitalibe: niharan’ny fitsaram-bahoaka ilay alikabe nanaikitra ankizikely

Analankinina Hopitalibe: niharan’ny fitsaram-bahoaka ilay alikabe nanaikitra ankizikely

Tsy vao voalohany fa efa matetika nanaikitra olona ity alikabe nahavanon-doza ity. Raha ny loharanom-baovao voaray, nandritra ny fampirantiana alika nataona orinasa mpikirakira momba ny alike, vao roa volana lasa teo anoloan’ny lapan’ny Tanàna ao Toamasina, nahakaikitra olona ity alika ity ary mbola eo am-pikarakarana ilay niharam-boina tamin’izany ny tompony sady nandoa vola 2 tapitrisa Ar kanjo nanaikitra ankizikely vao telo taona monja sahady koa, ny asabotsy tolakandro teo tao Analankinina Hopitalibe Toamasina, ity alike ity. Raha hiverenana, niaraka tamin’ny nenitoany avy namonjy fotoam-bavaka ity ankizikely niharam-boina ity. Nitsambikina avy ao amin’ny fefin’ny tompony ilay alikabe ka nandrangodrangotra sy nihinana ilay ankizikely niaraka tamin’ny nenitoany. Voalaza fa tsy tao an-trano ny tompony tamin’io fotoana io. Tovolahy roa sendra nandalo kosa no nahita ilay alikabe nitolona ilay ankizikely ka nanana fahasahiana avy hatrany nifampitolona tamin’ilay alika. Olona mipetraka mifanila amin’ilay trano misy tompon’ilay alika no nanome famaky nanapahana ny tanan’ilay alika nifikitra ny lamosin’ilay ankizikely vao nivaha izay. Tezitra ny olona ka tsy namelan’izy ireo raha tsy maty ilay alikabe. Nentina teny amin’ny Hopitalibe Toamasina ilay ankizikely. Nohamafisin’ireo mpifanolo-bodirindrina amin’ny trano misy ity alika ity fa tokony hojeren’ny tompony akaiky ity biby ity satria ripaka hatramin’ny akoho amam-borona kanjo izao matin’ny fitsaram-bahoaka izao ihany.

Sajo sy J.C

Les commentaires sont fermées.