Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Total Madagasikara sy ny minisitera: mpianatra 12 500 hoentanina ho an’ny fifamoivoizana ieren-doza

Total Madagasikara sy ny minisitera: mpianatra 12 500 hoentanina ho an’ny fifamoivoizana ieren-doza

Hanomboka ny 26 novambra izao ny hetsika fanentanana ny mpianatra ho fitandroana ny fifamoivoizana ieren-doza. Eto Madagasikara, 10 isan’andro ny ankizy tratran’ny lozam-pifamoivoizana eny an-dalana ho any an-tsekoly. Ho fampihenana ny lozam-pifamoivoizana mahazo ny ankizy sy ny mpianatra, niara-niasa ny minisiteran’ny Fanabeazana sy ny orinasa Total Madagasikara ary ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS) ho an’ny fifamoivoizana ieran-doza tao anatin’ny efatra taona misesy. 36 000 ny mpianatra efa voaentana tany an-dakilasy momba ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana sy ny lesona ho fisorohana ny lozam-pifamoivoizana tao anatin’ny andiany efatra vita.

Ho an’ny hetsika fahadimy, 12 500 ny mpianatra (6-12 taona) amin’ny lalam-pirenena faharoa sy fahafito. Misy ny fitaovana valo efa voaomana manokana ho an’ny mpanabe sy ny mpianatra ary ampiasaina mandritra ny fampianarana any an-dakilasy. « Tsara ny vokatra azo taorian’ny fanentanana tamin’ireo sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana satria tsy nahitana trangana lozam-pifamoivoizana nihatra tamin’ny mpianatra intsony », hoy ny tale jeneralin’ny orinasa Total Madagasikara, i Biova Agbokou, omaly teny Anosy. Lalam-pirenena anisan’ny mamono olona maro ny faharoa (Antananarivo –Toamasina) ka miverina any indray ny toerana hanaovana ny fanentanana. Hiantefa amin’ny mpianatry ny sekoly 30 manana kilasy 350 ny hetsika. Manana ONG mpiara-miasa (ABCD…) misahana ny fanentanana eny ifotony ny Total Madagasikara izay manao laharampahamehana ny fiahiana ny fifamoivoizana mba ho ieren-doza.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.