Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

SG-ny MJS: «Nisy ny tsy fahaiza-mitantana»

SG-ny MJS: «Nisy ny tsy fahaiza-mitantana»

Nanaitra ny mpanao gazety, omaly, ny fanambaran-dRalaivao Lovatiako, sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena fa nisy ny tsy fahaiza-mitantana teo anivon’izy ireo. Porofon’izany, tsy mahasahana taona iray akory ny teti-bola, hiasan’ny eo anivon’ity minisitera ity, nanomboka ny taona 2014 no ho mankaty. Nolazainy mazava tsara fa saika eo amin’ny volana oktobra dia efa lany izany. Nomarihiny fa raha ny tamin’ity taona 2018 ity, efa tamin’ny volana jona no tapitra ny volan’ny minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena, ka voatery nangataka teo anivon’ny filankevitry ny minisitra izy ireo  hahazoana fanampiana teo anivon’ny minisiteran’ny vola sy ny fitantanam-bola ka nahafahana niatrika  ireo fifaninanana isan-tokony, toy  ny  lalao olympika ho an’ny tanora, ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora, ny lalao afrikana ho an’ny tanora, ny lalao olympika fanao amin’ny andro ririnina, ary ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany ho an’ny taranja Tsipy kanetibe sy ny hafa. Nambaran’ingahy sekretera jeneraly hatrany fa tena tsy ampy ny tetibola, ho an’ity minisitera ity. «Tokony ho 30 lavitrisa Ar  no ampy, nefa  tsy ampaha-dimin’izany akory no azo», hoy izy.

Ankoatra izay, nisy ny fankatoavana ny didim-panjakana, amin’ny fametrahana ilay komity mpiara-mitantana ny fanabeazana ara-batana misy kalitao, na ny «Education Sportive de Qualité» (EPQ), nandritra ny filankevitry ny governemanta, natao ny 20 novambra lasa teo. Fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena sy ny minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena izy io, iarahany amin’ny minisitera 8 sy ireo departemanta minisiterialy, mandrafitra ny komity mpitantana.

 

Torcelin

Les commentaires sont fermées.