Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Seranam-piaramanidina Ivato: teratany venezoelianina nahatrarana cocaïne 1,250 grama

Seranam-piaramanidina Ivato: teratany venezoelianina nahatrarana cocaïne 1,250 grama

Nahatrarana zavamahadomelina mahery vaika teny amin’ny seranam-piaramanidina ivato, ny alakamisy lasa teo. Nisy vaovao azon’ny mpiasan’ny ladoany fa misy vehivavy teratany venezoelianina mitondra zavamahadomelina hiditra eny Ivato. Voalaza fa niainga avy any Brezila izy io, nandalo tany Addis abeba, ary tonga amin’ny sidina Ethiopian Airlines ET 853, tamin’ny 1 ora sy 40 mn. Vao tonga ilay vehivavy voalaza, nataon’ny mpiasan’ny ladoany ny fisavana ka tratra tao ny fonosana izay nahitana vovoka zavamahadomelina. Rehefa natao famotorana azy io, nahitana cocaine milanja 1,250 grama. Miandry ny fanolorana azy ny fitsarana izy io.

Tamin’ity indray mitoraka ity izany vao nisy olona tratra nitondra ity zavamahadomelina ity teny Ivato. Matetika ny Malagasy, indrindra ny vehivavy, tratra any Maorisy amin’ity resaka fanondranana cocaine ity. Migadra any mihitsy izy ireo, ary faran’izay mavesatra satria misy mahatratra hatramin’ny 20 taona an-tranomaizina. Asa ity teratany venezoelianina ity raha mba ho toy izany eto amintsika, na ho afa-maina amin’izao fotsiny ihany.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.