Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Métatron Production: hamoaka ny sarimihetsika « Tsio-drivotra »

Métatron Production: hamoaka ny sarimihetsika « Tsio-drivotra »

Eo am-pamaranana ny fanodinana sarimihetsika voalohany vokariny ny Métatron Production, eny Mahitsy. Tantara mitondra ny lohateny « Tsio-drivotra ». « Miala amin’ny mahazatra ity ny vontoatiny satria hampivoitra ny olam-piarahamonina ateraky ny tsy fitovian’ny fitandroana ny soatoavina malagasy ambanivohitra sy an-tanàn-dehibe amin’izao fotoana izao », raha ny fanazavan’ny talen’ny trano famokarana Métatron production, i Maminiaina Johnny.

Mpilalao sarimihetsika avy amin’ny toerana ivelan’ny Renivohitra ny ankamaroan’ireo 15 notsongaina hamelona ny horonantsary « Tsio-drivotra » izay hivoaka ato ho ato. Anisan’ny antony nahatonga izany ny ho fampivelarana ny talenta vao misondrotra. Tazana ao anatin’ny tantara ihany koa anefa ny mpanakanto toa an’i Nhodas.

Safidin’ity trano mpamokatra ity ny hanasongadina ny maha Malagasy, hisorohana ny fahaverezan’ny soatoavina ao anatin’ny firoboroboan’ny kolontsaina vahiny entin’ny fanatontoloana.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

 

Les commentaires sont fermées.