Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mahajanga: olona telo nahatrarana jamala 24 fatotra

Mahajanga: olona telo nahatrarana jamala 24 fatotra

Olona telo nahatrarana jamala (rongony) 14 fatotra tao Tsararano Ambany Mahajanga, ny talata 20 novambra 2018. Nahazo loharanom-baovao ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’i Mahajanga fa misy olona mivarotra jamala ao amin’io toerana io. Rehefa natao ny fanadihadiana dia fantatra sy marina ny loharanom-baovao ka nidina teny an-toerana ny polisy. Tratra tao an-tranony ireo olona mpivady ny rongony 10 fatotra. Rehefa nohadihadiana izy ireo dia nilaza fa misy namany ihany koa manampy azy mivarotra rongony. Tsy niandry ela ny polisy, nikaroka ity olona iray ity avy hatrany ka tratra tao Andohovinjo Mahajanga izy niaraka tamin’ny jamala 14 fatotra ihany koa.

Ny zoma 16 novambra 2018 tao Aranta, vehivavy iray nisy nanindrona hety tao an-tranony ka teo ambany foitrany no voantsindrona tamin’izany. Nentina teny amin’ny hopitalin’Androva izy ka namoy ny ainy noho ny ratra nahazo azy. Nandritra ny fanadihadian’ny polisy no nahafantarana fa nisy lehilahy iray efa nifamaly tamin’ity ramatoa ity ary efa nandrahona azy ho faty. Efa nametraka fitoriana fiandry ity vehivavy ity kanjo izao namoy ny ainy izao ihany izy. Nosamborin’ny polisy avy hatrany ilay lehilahy rehefa nitranga ny loza, ny alatsinainy teo.

J.C

Les commentaires sont fermées.