Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Faritra iva eto an-dRenivohitra: nidina ifotony namaha olana Rajoelina

Faritra iva eto an-dRenivohitra: nidina ifotony namaha olana Rajoelina

Tsy an-kiandriandry. Nanatanteraka ny fampanantenany sahady ny kandidà Rajoelina. Nidina ifotony nijery ny olana sy nahama izany ny tenany, omaly sy afakomaly, teto an-dRenivohitra.

Eo no ho eo ny antsika rehefa manao zavatra fa tsy miandry ela izany ny TGV”, hoy ny kandidà Rajoelina raha nanohy ny fitetezana ireo faritra iva eto Antananarivo, omaly. Nanatanteraka ireo fampanantenana nomeny ireo mponina mipetraka eny ambany tànana ny kandidà laharana faha-13. Anjaran’ny enyManakambahiny sy Ankorondrano indray ny nisitraka izany raha efa teny Andohatapenaka sy ny manodidina ny tenany, afakomaly. “Hatramin’izay, ianareo foana ny manatona ahy fa androany izaho indray no manantona anareo. Tonga aty aho mba hanaporofo ny fitiavako anareo ”, hoy izy raha nitafa mivantana amin’ireo mponina teny an-toerana.

Paompin-drano sy tetezana

Namaly avy hatrany ny hetahetan’ireo mponina manoloana ny fahasahiranana eo amin’ny fiainany andavanandro ny mpanorina ny IEM. Anisan’izany ny fijaliana amin’ny rano fisotro. Vita soa aman-tsara avy hatrany, omaly, ny paompy hamatsy rano ny tokantrano eny an-toerana. Nisantatra voalohany ny fantsakana teo amin’io fotodrafitrasa io ny tenany. Nampanantena ny hanangana tetezana ho an’ny mponina koa ny kandidà Rajoelina hisorohana amin’ny mety hisian’ny fihotsahan’ny tany rehefa fahavatra. Nambarany koa fa hametaka takamoa amin’ireo andrin-jiro eny amin’ny elakela-trano mba hiadiana amin’ny endrika tsy fandriampahalemana rehetra eny amin’iny faritra iny ny tenany. Sambany nisy nidina ifotony sy namaly faran’ny haingana ny hetahetam-bahoaka, tahaka izao, teny amin’iny faritra iny, araka ny nambaran’ny mponina.

Randria

Les commentaires sont fermées.