Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsy fahatomombanan’ny fifidianana sy hosoka: nosintonin’ny KMMR-Tim ny fitoriana teny amin’ny HCC

Misy dikany sy kajikajy politika ? “Nisintona ny fitoriana miisa 208 amin’ny tsy fahatomombanan’ny fifidianana efa tafapetraka teny amin’ny HCC izahay. Ny antony, mba hipetrahan’ny fitoniana sy ny filaminana eto amin’ny firenena”, hoy ny mpisolovava sady eo anivon’ny KMMR-Tim, Andriamadison Hasina, omaly. Notsiahivin’ny talen’ny fampielezan-kevitry ny kandidà laharana faha-25, Rabenja Sehenoarisoa koa fa efa nanaiky ny voka-pifidianana navoakan’ny Ceni izy ireo ary mbola hanaiky koa ny an’ny HCC. Notsindrin’izy ireo anefa fa tsy mirona amin’ny hanafoanana ny fifidianana ary mitsipaka marindrano koa hanemorana izany izy ireo. “Aleo hazava amim-pomba demokratika eo ny safidim-bahoaka”, hoy ireto olona akaiky ny kandidà Ravalomanana ireto.

Synèse R. 

Les commentaires sont fermées.