Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Raharaham-pirenena: miantso ny FFKM ny MSV

    Tokony hisy ny fikaonan-doham-pirenena handraisan’ny FFKM anjara manoloana izao raharaha misy eto amin’ny firenena izao. Samy miantso fitoniana ny rehetra ary ny Ceni rahateo efa niaiky fa nisy ny lesoka tamin’ity fifidianana filoham-pirenena ity”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny antoko politika MSV, Rafanomezantsoa Jean Nirina, nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety teny amin’ny foibe toeran’ny antoko eny 67 ha, omaly manoloana ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena. Nisaotra manokana izy tamin’ny fahavitan’ny fifidianana fihodinana voalohany farany teo sy ny famoahan’ny Ceni ny vokatra tsy mbola ofisialy. Nohitsiny fa feno hosoka loatra iny fifidianana farany teo iny, manginy fotsiny ny hala-bato sy ny tsy fahatomombanana teo amin’ny kara-pifidianana. Tsy mifanaraka ny voasoratra ao anatin’ny kara-panondrom-pirenena sy ny ao anatin’ny kara-pifidianana. Hosoka tsy misy toy izany. Ny sehatra iraisam-pirenena anefa mahita fa nizotra ara-dalàna ary mety ny fifidianana teo iny fa ny vahoaka malagasy kosa mitaintaina sao hisy ra mandriaka indray. “Tokony hisy ny fandraisana andraikitra haingana handraisan’ny FFKM anjara mba hisorohana ny mety hisian’ny ra mandriaka”, hoy izy. Izao no ilàna ny fampihavanam-pirenena, raha ny fanazavany hatrany. Nambarany fa tokony hozaraina telo ny antoko ka misy ny antoko an-kavia sy ny antoko afovoany ary ny antoko an-kavanana. Misafidy ny antoko politika izay te hiaraka amin’ireo kandidà matanjaka.

    J.C

     

    Les commentaires sont fermées.