Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Krizy toekarena: misondrotra indray ny vidin-tsolika

Krizy toekarena: misondrotra indray ny vidin-tsolika

Niverina niakatra indray ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, raha nitotongana teo aloha. Omaly, alarobia, lasa 61, 41 dolara ny vidin’ny barila tany amin’ny tsena any Londres (tsena Brent), nahitana fisondrotana 0,88 dolara raha oharina ny vidiny, ny talata lasa teo. Lasa 54,28 dolara kosa ny vidin’ny barila ho an’ny tsena amerikanina any New York (WTI), nisondrotra 0,85 dolara raha oharina ny teo aloha. Milaza ny mpahay toekarena fa tsy mbola tsara izao vidin-tsolika izao, raha oharina ny taona 2014, satria latsaka 30%. Efa tratra anefa io vidin-tsolika io ny fiandohan’ny volana oktobra 2018 teo.

Tsy fantatra na hiantraika amin’ny vidin-tsolika eto amintsika ity fitotongan’ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ity na tsia.

Anisan’ny mahatonga izao krizy eo amin’ny vidin-tsolika izao ny sazy ara-toekarena ataon’Etazonia amin’Iran.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.