Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Karting – « Trophée International de Madagascar »: ho tonga maro ny mpila ravinahitra avy any Frantsa

Karting – « Trophée International de Madagascar »: ho tonga maro ny mpila ravinahitra avy any Frantsa

Hotanterahina ny alahady 25 novambra ho avy izao, eny Imerintsiatosika ny fifaninanana “Trophée International de Madagascar”, andiany faha-17. Fifaninanana karakarain’ny eo anivon’ny federasiona no sady entina hamaranana ny taom-pilalaovana 2018 amin’ny karting.

Mpanamory avy eto an-toerana sy avy any ivelany no ho avy hifaninana, mandritra ity hetsika goavana ity. Misy ireo mpila ravinahitra izay hanatevin-daharana ihany koa. Maro an’isa amin’izany ny avy any Frantsa. Ireo mpifaninana ireo izay samy hiady mafy hahazoana ny lohany. Raha tsiahivina, i Andry Ratoby John hatrany no nandrombaka ny amboara nandritra ny andiany faha-15 sy faha-16. Ity farany izay mbola maniry ny handray anjara sy hiandrandra fandresena hatrany.

Tanjona amin’ity hetsika ity, ny hanomezana fahafaham-po ho an’ny mpankafy ny karting, na eto an-toerana na ny any ivelany ary hamaranana amin’ny fomba mendrika ny taom-pilalaovana 2018. Efa fanao isan-taona ny “Trophée International de Madagascar” ary ezahina ny hanatsarana ny fikarakarana mba hahafahan’i Madagasikara mirehareha, hoy hatrany ny mpikarakara, eo anivon’ny FSAM (Fédération du Sport Automobile de Madagascar).

 

Mi.Raz

Ora farany

Misaona ny tontolon’ny fanamoriana fiarakodia eto Madagasikara. Nodimandry, omaly, i Yachine Adam, mpanamory mpanampy tao amin’ny klioba ASACM. “Co-pilote”n-dRakotomanga Freddy izy, nandritra ny taona maro. Azo lazaina ho tampoka ihany izao nahalasan’i Yachine izao

.

 

Les commentaires sont fermées.