Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kaominina Tsiafajavona: nanome tohodrano ny tantsaha ny Star

Kaominina Tsiafajavona: nanome tohodrano ny tantsaha ny Star

Mandray anjara feno, manampy ny mponina eny ifotony ny orinasa Star. Anisan’izany ny any amin’ny kaominina Tsiafajavona, any an-trendron’Ankaratra, 23 km miala ny distrikan’Ambatolampy, faritra Vakinankaratra. Notokanana, ny 14 novambra teo, ny tohodrano vaovao any Antanimenakely. Marihina fa sampana orinasa ao amin’ny Star, ny Nouvelle brasserie de Madagasikara (NBM) any Ambatolampy, niorina ny taona 2010. Maneho ny maha orinasa tompon’andraikitra (RSE) azy ity orinasa ity, ka anisan’ny mahazo tombontsoa amin’izany ny kaominina Tsiafajavona, nanomboka ny taona 2016. Nanorenana sekoly EPP sy dabilio, fananganana lava-drano ahazoana rano fisotro madio tany amin’ny fokontany maro, sns.

Hahazo tombontsoa mivantana amin’ity tohodrano vaovao ity ny fokontany Tsiafajavona sy Soanierana. Ahitana hidin-drano telo, hanamora ny fitantanana ny rano. Maherin’ny 1.000 ny mponina sy ny tantsaha hisitraka azy, hanondraka ny tanimbary sady ahazoana miompy trondra anaty tanimbary rahateo. Nanomboka ny jolay 2018 teo ny asa ary izao vita sahady izao.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.