Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hosoka sy fisolokiana: nidoboka am-ponja ilay nisandoka ho mpiasan’ny APMF

Hosoka sy fisolokiana: nidoboka am-ponja ilay nisandoka ho mpiasan’ny APMF

Nidoboka am-ponja koa ny lehilahy iray nisandoka ho mpiasan’ny APMF naman’ilay renim-pianakaviana (efa any am-ponja) voasambotry ny polisy, ny herinandro teo…

Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny borigadin’i Betongolo, ny alatsinainy sy ny talata teo noho ny fisolokiana sy fanaovana taratasy hosoka miampy hala-tsonia, ny lehilahy miisa telo. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary, nilaza izy ireo fa mahavita mandefa olona miasa amin’ny sambo ka mila mandoa vola 5 tapitrisa Ar ny olona iray raha te hanao ity asa ity. Milaza izy ireo fa mpiasa ao amin’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy na APMF ka izay rahateo koa no nahatonga ny tompon’andraikitra avy ao ao amin’ity antokon-draharaha ity hanao fitoriana. Vokany, lehilahy iray no tratran’ny zandary, ny alatsinainy teo. Nanonona lehilahy roa izay nambarany fa mpiray tsikombakomba aminy ity tratra voalohany ity ka nosamborina ihany koa izy ireo. Natolotra ny fampanoavana , omaly, izy telo lahy taorian’ny famotorana nataon’ny zandary ka naiditra vonjimaika am-ponja ny iray raha nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny roa lahy niray tsikombakomba taminy. Nomarihin’ny zandary fa vehivavy iray izay mpiray tsikombakomba amin’izy ireo koa no efa nahazoana fitairanana ary efa nanan-draharaha teny amin’ny polisim-pirenena ka efa nalain’ny zandary teny amin’izy ireo anaovana famotorana. Efa naiditra vonjimaika am-ponja, ny zoma lasa teo, ity renim-piankaviana ao anatin’ity tambajotrana mpisoloky ity.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.