Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambohipo: jiolahy tratran’ny fitsaram-bahoaka

Ambohipo: jiolahy tratran’ny fitsaram-bahoaka

Niharan’ny fitsaram-bahoaka ny iray amin’ireo jiolahy tratra teo am-pamakiana trano teny Ambohipo, ny asabotsy lasa teo. Jiolahy telo ireto tratra namaky trano ireto, saingy nenjehin’ny fokonolona ny iray ka niharan’ny daroka. Soa ihany fa nalaky tonga ny polisy fa raha tsy izany efa tapitra teo ny ain’ilay jiolahy, raha ny fanazavan’ireo mponina teny an-toerana. Nentin’ny polisy ilay jiolahy taorian’izay. Natolotra ny fampanoavana avy hatrany izy taorian’ny famotorana ka naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora.  Jiolahy iray hafa kosa tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny ihany koa teny Manakambahiny, tamin’io andro io ihany. Nandritra ny famotoran’ny polisy no nanondroany ireo namany mpiara-manao asa ratsy aminy. Niaiky ny heloka vitany ireto jiolahy ireo ka naiditra am-ponja, omaly ihany koa.

Nidoboka eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy koa ny iray amin’ireo jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana tratran’ny polisy teny Tsiadana, ny asabotsy teo. Nalefa eny Anjanamasina kosa ny roa lahy hafa. Fantatra, araka ny fitarainan’ny olona eny an-toerana fa raindahiny mihitsy ry zalahy ireto.

J.C

Les commentaires sont fermées.