Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Voka-pifidianana: miantso fitoniana ny Sadc

Voka-pifidianana: miantso fitoniana ny Sadc

Tsy niandry ela. Namoaka fanambarana sy antso avo ny eo anivon’ny Sadc. Nivoitra tamin’izany ny fitodihan’izy ireo amin’ireo mpanao politika. « Efa miomana amin’ny fifidianana fihodianana faharoa hatao ny 19 desambra izao i Madagasikara. Aoka hotanterahina anaty fitoniana sy filaminana izany. Tahaka ny niseho tamin’ny fihodinana voalohany. Avelao hifidy malalaka ny olona tiany hitondra azy sy ny firenena ao anatin’ny demokrasia ny vahoaka malagasy », hoy izy ireo. Nankasitrahany sy noderainy manokana ny mpanelanelana sady iraky ny Sadc, i Joaquim Chissano, amin’ny nanomezany ohatra amin’ny fahaiza-mitarika nanelanelana ireo mpanao politika sy namaha ny olana na ny krizy teto. « Fanamby tokony hotohizana izany hahitana vahaolana maharitra. Eo anilan’i Madagasikara hatrany ny Sadc manohana ny dingana demokratika hirosoana amin’izao fotoana izao. Tanjona ny hipetrahan’ny fitoniana maharitra ahatongavana amin’ny fampandrosoana ny firenena », hoy ihany ny Sadc.

Noderain’ny Sadc manokana ny Ceni

Nialoha izany, nankasitrahan’izy ireo ny namoahan’ny Ceni ny voka-pifidianana vonjimaika farany teo. Noderainy ity rafitra iray mikarakara ny fifidianana ity nahavita ny andraikiny tamin’izany. Teo koa ny nisaorany ny fahendren’ny vahoaka sy ireo mpanao politika tamin’ny fihetsika sy ny fitoniana, nialoha sy nandritra ary taorian’ny fifidianana fihodinana voalohany iny.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.