Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

VHT: « Tsy madio ny voka-pifidianana »

VHT: « Tsy madio ny voka-pifidianana »

Nivoaka amin’ny fanginany ny fikambanana VHT, tarihin-dRazanakoto Norbert. Nohitsin’izy ireo fa tsy araka ny tokony ho izy ny voka-pifidianana navoakan’ny Ceni ny faran’ny herinandro teo. “Tsy afaka ny hangina manoloana ny firenena izahay. Hitanay fa misy tsy mitombina ny voka-pifidianana navoakan’ny Ceni. Niovaova ny fotoana tokony hamoahany izany. Nambara fa ny 20 novambra. Avy eo indray, navoaka tampoka amin’ny andro alina ny asabotsy teo… Inona ny marina momba izany ?”, hoy izy ireo tetsy Andrefan’Ambohijanahary, omaly. Nanterin’ny VHT fa ho tompon’andraikitra amin’ny ataony sy ny tsy mety ny Ceni. Nametra-panontaniana izy ireo raha tena mahaleo tena marina na tsia ity rafitra mpikarakara fifidianana ity. “Tsy afa-bela amin’ny korontana mety hiseho ny manodinkodina ny safidim-bahoaka ary hiteraka savorovoro izany”, hoy ihany izy ireo. Miantso ny HCC ny VHT handeha amin’ny fahamarinana amin’ny famoahana voka-pifidianana tena izy sy marina. “Aleo handresy ny mpandresy na ho fihodinana voalohany na ho faharoa”, hoy izy ireo.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.