Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tarika Si-C Praise: hisy ny fampisehoana ho an’ny tanora eny Ankadindramamy

Tarika Si-C Praise: hisy ny fampisehoana ho an’ny tanora eny Ankadindramamy

Hetsika iray fifampaherezana ho an’ny rehetra, indrindra ny tanora, ny karakarain’ny tarika Si-C Praise. Tsara ny mampahafantatra ireto farany fa tarika efa herintaona nijoroana sy nilomanosana eo amin’ny fanaovana hira evanjelika sy fitoriana Vaovao Mahafaly izy ireo. Ao amin’ny efitrano malalaky ny Studio Ginot Ankadindramamy, ampitan’ny Shell, ny toerana hanaovana izany, ny asabotsy 1 desambra izao manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. «Ndao hifampahery» ny lohatenin’ny fampisehoana. Tanjona amin’izany, raha ny fantatra, ny hampivondronana ny tanora tojo olana ka mila fampaherezana, hahay hifankahery sy hifanakalo hevitra ary hifampizara ny olana mahazo azy. Ankoatra izay, hisy koa fanentanana hiarahana amin’ny tarika Si-C Praise hampafana ny fiarahana. Raha ny fanazavana voaray tamin-dRakotondrasamy Sitraka Claudia, tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny tarika Si-C Praise,  misokatra amin’ny rehetra manan-talenta ny sehatra amin’io ka afaka mampiseho izay talenta ananan’ny tsirairay toy ny hira, ny tononkalo, ny dihy sy ny maro, saingy amin’ny lafiny evanjelika  ny hanaovana azy. “Santatra ny amin’ity taona ity fa antenaina ny mbola hisian’ny andiany manaraka”, hoy hatrany i Sitraka Claudia.

Landy R.

Les commentaires sont fermées.