Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

ONE sy ny Meteo: hamokatra antontan-kevitra famantarana ny fiovan’ny toetr’andro

ONE sy ny Meteo: hamokatra antontan-kevitra famantarana ny fiovan’ny toetr’andro

Ho fanalefahana sy ho fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro, tafiditra amin’ny fandaharanasa tetikasa fanamafisana ny fahafahana miatrika ny fiovan’ny toetr’andro (PRCCC), nifanome tanana amin’ny foibem-pirenena ho an’ny tontolo iainana (ONE) sy ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro amin’ny alalan’ny sampana famantarana ny toetr’andro. Tanjona ny famokarana angon-kevitra azo antoka momba ny fiovan’ny toetr’andro. Samy manana ny andraikitra ny ONE sy ny sampana eny Ampandrianomby amin’ny ady atao momba ny fiovan’ny toetr’andro. Mamatsy ny antontan-kevitra voaangona momba ny toetr’andro ny Meteo, mifanaraka amin’ny filan’ny sehatra maro samihafa. Hisongadina kokoa amin’ny antontan-kevitra hovoizina ny famantarana ho an’ny fiovan’ny toetr’andro. Hanampy amin’ny takela-pamantarana amin’ny tontolo iainana sy amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra amin’ny sehatra maro ny vaovao hozaraina. Nanolotra fitaovana ny ONE entina hanatsarana ny fampitam-baovao. Natao, omaly, ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny roa tonta teny Ampandrianomby.

Efa miaina ao antin’ny fiovan’ny toetr’andro Madagasikara miseho amin’ny orambe sy ny haintany amin’ny faritra maro. Tsapa koa fa tara ny fihavian’ny orana amin’ny faritry ny afovoan-tany. Amin’ny maha Nosy an’i Madagasikara, marefo kokoa izy manoloana ireo tranga  ateraky ny fiovan’ny toetr’andro ireo.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.