Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mahajanga: saron’ny zandary ireo tambajotrana mpanendaka

Mahajanga: saron’ny zandary ireo tambajotrana mpanendaka

Voasambotry ny zandary tao Tsararano Mahajanga, afakomaly, ireo tambajotrana mpanendaka miisa fito mianadahy. Raha ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary, olona roa no niharan’ny asa ratsin’ireto jiolahy ireto, ny herinandro lasa teo. Mbola tompon’antoka nanindrona antsy raim-pianakaviana iray teo amin’ny tendany ao Mahajanga ihany ihany koa izy ireto. Avotra soa aman-tsara ihany ilay raim-pianakaviana rehefa nentina notsaboina teny amin’ny hopitaly. Tratra tany amin’izy ireo, nandritra ny fisavana nataon’ny zandary, ireo entana halatra marobe, toy ny telefaonina finday sy ny maro hafa. Fiaraha-miasa teo amin’ireo loharanom-baovao teo an-tanàna ihany ny nahafahana nisambotra ireto jiolahy ireto. Nohamafisin’ny zandary fa ny enina amin’ireo no tena mpanendaka raha mpivarotra entana halatra kosa ny iray. Hatolotra ny fampanoavana izy ireo aorian’ny famotoran’ny zandary.

J.C

Les commentaires sont fermées.