Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Graines de stars » –  Le Taxi Be: famaranana nasionaly ny anio

« Graines de stars » –  Le Taxi Be: famaranana nasionaly ny anio

Tontosa ny fifanintsanana tany amin’ny faritra. Efa ho herinandro izay no nahatongavan’ireo dimy mirahavavy tafakatra amin’izany fifaninanam-paritra izany, eto Antananarivo.

Hotanterahina, anio alina ao amin’ny Le Taxi Be Antanimena, ny famaranana nasionaly eo amin’ny « Graines de stars » na ilay fifaninanana fahaiza-mihira hitiliana ireo talenta vao tokony homena sehatra ivelarany. Hanana solontena amin’izany i Mahajanga, i Toamasina, i Nosy Be, Antananarivo ary Antsiranana. Amin’ny alalan’ny fitsapana inefatra miantoana no hijerena izay handrombaka ny lelavola 3 tapitrisa ariary sy ireo fanomezana maro miaraka aminy. Hihira amin’ny fitenim-pirenena telo (malagasy sy frantsay ary anglisy) ny mpifaninana tsirairay. Rehefa vita ireo, hampiara-peo (feon’olon-droa) amina mpanakanto hafa izy ireo tsirairay. Hira mbola tsy fantatr’izy ireo mialoha ny hirainy amin’ity fampiaraham-peo ity raha efa nomanina kosa ireo hira amin’ny fiteny vahiny. Anisan’ny tanjona amin’ny fifaninanana « Graines de stars » karakarain’ny Le Taxi Be sy ireo mpiara-miasa aminy ny hampahafantatra ireo manana talenta amin’ny hira kanefa tsy afaka maneho izany ho an’ny rehetra. Marihina fa nahatratra 32 ireo mpifaninana voafantina niatrika ny dingana voalohany.

Fantatra fa efa 14 taona ny nisian’ny Le Taxi Be eto Madagasikara (Nosy-Be, Antsiranana, Toamasina, Antananarivo). Handeha mivantana amin’ny facebook sy ny Youtube ary halefa amin’ny TVM (ho an’ny eto an-toerana) sy amin’ny Kanal Austral TV La réunion (ranomasimbe Indianina)  ny famaranana « Graines de stars Le Taxi Be ».

HaRy Razafindrakoto

 

Les commentaires sont fermées.