Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Efa nigadra teny Antanimora: tratra nanendaka teny Isotry indray ilay jiolahy

Efa nigadra teny Antanimora: tratra nanendaka teny Isotry indray ilay jiolahy

Tsy mety fay! Izay ny azo ilazana ny fihetsik’ity jiolahy ity voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’Isotry, teny Ambodin’Isotry afakomaly antoandro, ity. Tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny ity jiolahy ity ary tsy vitan’izay fa mbola namono olona ihany koa. Voalazan’ny polisy fa ireo olona mitondra poketra mandeha eny amin’ny arabe no tena arahiny ka tena fanaovany ny asa ratsiny eny Ambodin’Isotry. Lasa mitsoaka any Andranomanalina kosa izy rehefa avy manao ny asa ratsiny. Isaky ny amin’ny 12 ora antoandro ny fanaovany izany ary mitondra antsy maranitra izy. Niaiky ny heloka vitany izy ary nilaza fa efa nigadra teny Antanimora noho ny asa fanendahana ihany, saingy nanohy ny asa ratsiny indray nony nivoaka ny fonja. Ireo vehivavy no tena lasibatr’ity jiolahy ity.

J.C

Les commentaires sont fermées.