Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Behitsy: jiolahy tratra teo am-pamakiana trano

Behitsy: jiolahy tratra teo am-pamakiana trano

Noraisim-potsiny ireo jiolahy miisa telo tratra teo am-pamakiana trano fivarotana iray eny amin’ny fokontany Behitsy, kaominina ambanivohitr’Ambohimangakely, afakomaly alina. Raha nanao fisafoana amin’ny alina, toy ny fanaon’izy ireo, ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Ambohimangakely sy ny andrimasom-pokonolona ao amin’ny fokontany no nahita jiolahy telo teo am-pisokirana varavarana fivarotana iray. Taitra avy hatrany ry zalahy raha vao nahita ny fiavian’ireto zandary ka nandositra. Tsy nanaiky anefa ireo zandary sy ireo vatan-dehilahy fa nanenjika ka tsy lasa lavitra dia tratra ireto mpamaky trano ireto. Tsy nisy, noho izany, ny entana very fa rava kosa ny fikasan-dratsin’ireto jiolahy ireto. Nahatrarana antsy sy “barre pince” teny amin’izy ireo nandritra ny fisavana nataon’ny zandary. Nilaza ireto mpamaky trano ireto, nandritra ny famotorana nataon’ny zandary, fa avy any Anjeva izy ireo fa eny Behitsy kosa ny manao ny asa ratsiny. Hatolotra ny fampanoavana ireto jiolahy ireto aorian’ny famotorana ataon’ny zandary.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.