Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Analamaizina – Miandrivazo: taksiborosy notafihin’ny dahalo, Sinoa iray maty voatifitra

Analamaizina – Miandrivazo: taksiborosy notafihin’ny dahalo, Sinoa iray maty voatifitra

Sinoa iray maty tsy tra-drano. Io ny vokatry ny fanafihan-dahalo nitranga tao Analamaizina, distrikan’i Miandrivazo, omaly tamin’ny 2 ora sy 30 mn maraina. Taksiborosy hihazo an’i Morondava ny niharan’ny fanafihan-dahalo…

Tao amin’ny toerana antsoina hoe Analamaizina, distrikan’i Miandrivazo, ny nitrangan’ilay fanafihan-dahalo namoizana ain’olona. Araka ny loharanom-baovao voaray, tratran’ny fanafihan-dahalo ny taksiborosy iray hihazo an’i Morondava. Miisa efatra ireo taksiborosy nanao dia miaraka niainga avy aty Antananarivo hihazo an’i Morondava ka voatafika teo amin’io toerana voalaza etsy ambony io ny iray amin’ireo taksiborosy ireo. Tsy toy ny fahita andavanandro hoe nanao sakan-dalana tamin’ny vatan-kazo na vatobe teo afovoan’ny arabe ireo dahalo fa nitora-bato avy hatrany. Niraradraraka ny tora-bato nandritra ity fanafihana ity. Voan’ny tora-bato teo amin’ny lohany ny mpamilin’ilay taksiborosy iray nitari-dalana mialoha. Vokany, nivadika tany amin’ny sisin-dalana ilay fiara. Tsy vitan’izay fa nitifitra tamin’ny basy ihany koa ireo dahalo ka nahavoa ilay teratany sinoa iray nipetraka teo akaikin’ny mpamily. Namaly tifitra avy hatrany ny zandary nanara-dia ireto fiara taksiborosy ireto ka lasa nitsoaka avy hatrany ireo olon-dratsy. Tsy nahazo na inona na inona kosa ireo dahalo. Olona enina hafa kosa naratra ka nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana. Tsy vao izao fa matetika ahitana trangana fanafihan-dahalo mpanakan-dalana iny RN 35 mihazo an’i Morondava iny. Misy hatrany ireo zandary manara-dia miambina ireo taksiborosy, saingy manao ny ataony hatrany ny dahalo. Mitohy ny fanadihadian’ny zandary momba ity raharaha ity.

J.C

Les commentaires sont fermées.