Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambatondrazaka: mangalatra zanak’omby ny dahalo

Ambatondrazaka: mangalatra zanak’omby ny dahalo

Ombivavy sy zanak’omby miisa efatra no indray nalain’ny dahalo tao Ambatomanga Ambatondrazaka, ny alahady alina lasa teo. Tazan’ireo olon-dratsy ny raim-pianakaviana iray avy nivoaka tao an-kabone ary noheverin’izy ireo hiantso vonjy ka norarafan’izy ireo ny tifitra. Vokany, voatifitra teo amin’ny feny ilay raim-pianakaviana. Tsy sahy nivoaka ny trano kosa ireo mponina eo an-tanàna naheno ny poa-basin’ireo jiolahy. Araka ny fampitam-baovao voaray, avy ao amin’ny tanàna antsoina Tsiandroràna ireto dahalo mpangalatra zanak’omby sy ombivavy ireto. Nizotra niatsinanana kosa ny lalan’ireo malaso nandroaka ny omby. Nifamory avy hatrany nanara-dia ny fokonolona ao amin’ireo tanàna roa voatafika ireto, saingy tsy mbola nisy vokany izany, hatreto. Mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitalim-paritra ao Ambatondrazaka kosa ilay raim-pianakaviana voan’ny bala.

Nohamafisin’ireo mponina any an-toerana fa tsy naharenesana halatra omby loatra tany amin’ny distrikan’Ambatondrazaka tao ho ao izay, saingy nirongatra indray izany tato ho ato. Lasibatra indray ireo ombivavy.

Rarivo

Les commentaires sont fermées.