Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Afaka manatona eny amin’ny CSB: mbola misy ny vaksiny miaro amin’ny kitrotro 

Afaka manatona eny amin’ny CSB: mbola misy ny vaksiny miaro amin’ny kitrotro 

Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny miaro amin’ny aretina kitrotro eny amin’ny CSB rehetra manerana ny Nosy. Tokony hanatona tobim-pahasalamana ny mpitaiza zaza sy ireo tsy salama hisorohana ny fahasarotana raha voamarina na tsia fa kitrotro tokoa ny mahazo azy.  Amin’izao fotoana izao, mirongatra ny aretina kitrotro ary tsy ny zaza sivy volana no ho miakatra ihany fa hatramin’ny olon-dehibe sy ny zaza vao enim-bolana monja. Antony mahabetsaka ny zaza tratrany, tao anatin’ny herinandro, ny tsy fanaovan’ny ray aman-dreny vaksiny miaro amin’ny kitrotro ny zanany. Nambaran’ny tomponandraikitry ny fanaovam-baksiny ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamana, Ramamonjisoa Bodo, fa avy any Maorisy sy avy any Frantsa ny fiavian’ny valanaretina eto amintsika. Raha voaray ara-potoana ny fitsaboana, tsy misy atahorana fa ny fahasarotana no tsy maintsy miditra eny amin’ny hopitaly.

Tsy misy ny tranga voamarina fa matin’ny aretina kitrotro, hatreto, satria misy ny fanadihadiana tsy maintsy atao, araka ny fanazavany ihany. Entanina hatrany ny mpikarakara zaza ho mailo na hanatona eny amin’ny toeram-pitsaboana raha misy mampanahy. Misy mibontsimbontsina kely menamena amin’ny vatana, mety harahina fanaviana na fambara hafa ny zaza ny voan’ny kitrotro.

Vonjy A

Les commentaires sont fermées.