Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsy hanaiky lembanana amin’ny voka-pifidianana: nitory eny amin’ny HCC miaraka amin’ny porofo Rajoelina

Tsy hanaiky lembanana amin’ny voka-pifidianana: nitory eny amin’ny HCC miaraka amin’ny porofo Rajoelina

 

Tsy hipetra-potsiny na hanaiky lembenana fotsiny amin’izao. Nametraka fitoriana eny amin’ny HCC ny kandidà Rajoelina ho tsy fanekena ny voka-pifidianana vonjimaika navoakan’ny Ceni, ny faran’ny herinandro teo. “Takinay ny hanaovana fampihatahana ny voka-pifidianana 100%. Tatitra an-tsoratra isaky ny tatitra an-tsoratra (PV/PV). Takinay koa ny hanaovana fanadihadiana lalina ny lafiny inforamatika, indrindra ny “logiciel nampiasain’ny Ceni satria voahodinkodina ny safidim-bahoaka. Afaka miantso manampahaizana manokana izahay hanao ny fanadihadiana io lafiny informatika io”, hoy ny kandidà, laharana faha-13, tamin’ny feo hentitra sy mazava, omaly teny amin’ny Arena.

Kandidà vonona hatrany ary efa zatra ady…

Nohitsiny fa vonona ny hitondra ny porofo rehetra sy matevina momba izany izy ireo. “Hiady hatramin’ny farany izahay ary vonon-kiady. Efa zatr’ady ka tsy maintsy mandresy”, hoy ihany ny kandidà Rajoelina.

Notsiahivina tamin’izany ny tranga samihafa niseho tany amin’ny birao fandatsaham-bato (BV) amin’ny faritra manerana ny Nosy, nahitana hosoka sy fahadisoana goavana. Teo ohatra ny tany Fianarantsoa, nahitana ny fikajiana ny isan’ny mpifidy nandatsa-bato nihoatra ka lasan’ny kandidà sasany ny vato tokony ho an’ny kandidà Rajoelina. Notsinjaraina manta fotsiny amin’ny hafa izany raha tokony ho azy. Very hatrany amin’ny 3 na 4 hatramin’ny 5% hatrany ny kandidà laharana faha-13 amin’ny BV maromaro.

Matoky ny fahendren’ny HCC…

Natsidiny sahady koa anefa fa hanaiky ny voka-pifidianana havoakan’ny HCC  koa ny tenany raha voahaja sy mivaly ireo fitakiana sy fangatahana ireo. Matoky ny fahendrena ananan’ireo mpitsara eny Ambohidahy ny tenany ao anatin’izany rehetra izany.

Araka izany, mivonona ny handeha lavitra kokoa ny kandidà Rajoelina sy ny mpomba azy, manoloana izao voka-pifidianana izao.

Randria

 

Les commentaires sont fermées.