Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toamasina: voatsikera ny Ceni

Toamasina: voatsikera ny Ceni

Nirarak’ompana ny fitsikerana ny famoahana voka-pifidianana vonjimaika, nataon’ny Ceni, ny faran’ny herinandro teo. Nifamory tetsy amin’ny efitrano fanaovam-pety Ambohijafy ireo ankamaroan’ny olona tsy voasoratra anarana tao anatin’ny

lisi-pifidianana sy ireo tsy nahazo kara-pifidianana, nandritry ny fifidianana.Nambaran’ izy ireo fa mahatsiaro ho very zo sy narian-jo. Tsy nijerena na mpomba izatsy na zaroa ny fitsikerana fa natao ho an’ny teratany malagasy rehetra.” Mitaky ny hanaovana fanadihadiana lalina momba ny lesoka tamin’ iny lisi-pifidianana iny izahay. Tsy mbola ampy zato isan-jatony ihany koa ny voka-pifidianana vonjimaika navoakan’ny Ceni. Nankaiza ny voka-pifidianana sasany. Nisy vola be azon’ny Ceni tamin’ny fikarakarana ny lisi-pifidianana. Natao inona izany volabe izany. Takinay vahoaka ny fanazavana mangarahara… Takinay ny hamerenana ny fifidianana fihodianana voalohany na koa ny tsy maintsy hampidirana ireo tsy tafiditra anaty lisitra mba hanefany ny zo omen’ny Lalàmpanorenana ny tsirairay” hoy ny ampahan’ny fampiakaram-peon’ireo olona tetsy Ambohijafy.

Sajo

Les commentaires sont fermées.