Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: tsy misy ny afa-po

Nanda ny valin’ny fifidianana vonjy maika nambaran’ny CENI daholo ny mpilatsaka rehetra. Tsy misy na iray aza amin’ izy ireo nanaiky ny fahamarinan’ny tarehimarika voalaza ho vokatra farany. Mazava ho azy ary efa noheverina mialoha fa ireo 25 nitaky fanemorana ny fanaovana fifidianana dia tsy maintsy hitsikera ny vokatra, entin’izy ireo ny fisehon’ny toe-draharaha hanamarinana ny tsy fahamarinan’ny vokatra ofisialy. Manome vahana an’izany fandavana izany ny fanebahana ataon’ ny lohalaharana teo amin’ny fifaninanana nefa samy mitsipaka avokoa an’ireo tarehimarika voalazan’ny CENI. Na rariny na tsia tsy tokony ampahagaga raha any amin’ity sampana tompon’ adidy mikasika ny fanaovana ny fididianana ity no miantefa ny rihatra rehetra. Indro kely anefa hoy ny mpandrafitra mahagaga ihany ny fiarahan’ny rehetra miaka-pofona, izany hoe tsy misy nahita tombony tamin’ny fikitikitihana ny vokatra izay iapangana ny CENI izany. Tsy fahaizana manatanteraka ny andraikitra nahankina taminy ve ny fahotanan’ny CENI ka azo lazaina fa tsy nanefa eloka tamin’ny fanodikodinana vato, fomba fampitongilanana ny vokatra ho fanomezana tombon-dàlana ny iray amin’ ireo mpifaninana ? Sao kosa aza misy manao Rainikoto fotsiny ny iray amin’izy ireo, mody mitringa rehefa nihazakazaka soamantsara fa tsy nahomby arak’izay nantenainy na ny ezaka na ny tsikombakomba.

Ny fifanarahana tany ampiandohana dia ny fametrahana ny tanjona amin’ny fanomanana ny fifidianana mba ahafahan’ny rehetra manaiky ny vokatra, mifanipaka amin’izany anefa ny fitrangan’ny toe-draharaha, tsy misy na iray aza no mankatoa ny vokatra navoaka. Mikatso ny fizotran’ny raharaha-pirenena. Angamba tsy hitondra vahaolana ny fanafoanana ny vokatra sy ny famerenana ny fifidianana, na nohon’ny fandinihana fotsiny ny fandanina aza. Efa diso be loatra ny fahitana ny lany dia mbola ho tovonana indray ny enti-manana ilaina ho fiatrehana ny manaraka. Tohizina amin’izao anefa dia fanemorana fotsiny ny fipoakan’ny disadisa, raha tsy misy ny fanarenana ny diso nampiseho kilema tamin’ny fihodinana voalohany dia hiverina ihany ny fanipahana ny vokatry ny fihodinana faharoa. Sarotra ny fandidina. Tafiditra an-katerena indray ity ny firenena. Tsy misy fahagagana antenaina toy ny fisehon’olona ho mpamonjy, sedra no mipetraka amin’ny tontolo pôlitika, tsy misy afa-tsy ny fampisehona fahendrena no ahafahana mivoaka avy amin’izao kizo izao. Afaka heverina ho efa karazana fahagagana ny fisehon’ny fahendrena.

Léo Raz

Les commentaires sont fermées.